FIHAONAMBEN’ NY TANORA
MSJM
Père Bruno
Toy ny fanao mahazatra dia
misy hatrany ny fihaonam-
ben’ny tanoran’ny MSJM isaky ny
telo taona. Indroa miantoana tokoa
izay dia nifanaraka tamin’ny fotoana
nanaovana ny JMJ no nanatanterahina
izany.
Tamin’ity taona ity dia nifamo-
toana telo andro mialoha ny JMJ ny
02– 04 septambra 2012, tao amin’ny
tranon’ny Masera FMA Ambanja ireo
tanoran’ny MSJM. Niisa 450 teo ho
eo izy ireo, nitombo hatrany raha no-
harina tamin’ny teo aloha (300). Nan-
defa solon-tena avokoa araka izany ny
fikambanana sy ny trano salezianina
manerana ny Nosy.
« Tanora ho an’ny Tanora tokoa »
ka nihaona mba hifampizara traikefa
sy kolontsaina; hiara mivavaka; hiara
mifaly ary indrindra hiara mametraka
vinavinam-piainana hiatrehana ny telo
taona ho avy manaraka.Tao anatin’ny
fandaharam-potoana moa dia nisy ny
fandinihina mialoha ny lohahevitry
ny JMJ MADA VII, izay niarahana
tamin’i Mompera Bruno: tomponan-
draikitry ny « Pastoral des jeunes »
avy amin’ny SDB. Teo ihany koa ny
fanaovana jeritodika ny « Projet Pa-
storal Interprovincial » nandritra iny
telo taona lasa iny ary koa ny fiaraha-
mamolavola ny ho amin’ny telo taona
manaraka, izay niarahana tamin’i Ma-
sera Alejandra « Pastoral des jeunes »
avy amin’ny FMA.
Isan’ny nanamarika iny fotoa-
na iny moa, ny fahatongavan’ny
Relique-n’i Don Bosco teo amin’ny
toerana nanaovana ny fihaonam-be.
Nanampy ny fahasoavana noraisin’ny
tanora tamin’izany ihany koa, ny
lahateny sy ny tso-drano natolotr’i
Mompera Claudio, Provincial-ny
SDB eto Madagasikara.
Ny fihaonam-be manaraka no
amin’ny telo taona indray vao hisy
fa isika tsirairay avy no entanina
hiaina sy amelomaso hatrany ny
fiainam-panahy izay efa noraisintsika
mba ho tonga amin’ny faratampom-
pahasoavana dia ny fahatongavana ho
olomasin’ny fanabeazana ireo tanora
, indrindra ireo tsy misy mpiahy sy
fadiranovana.
JMJ mada 7 tao Antsiranana
Vita soa aman-tsara ny JMJ na-
tao tany Diego ny 05-10 Sep-
tambra 2012 lasa teo. “Tanora katoli-
ka mijoro amin’ny finoana, manorina
ny fiainany ao amin’I Kristy” no lo-
hahevitra tamin’ity taona ity.
Ny 05 Septambra no nandraisa-
na ireo mpizaika mpivahiny, narahi-
na lamesa fanokafana, teny amin’ny
université. Ny 06 Septambra kosa dia
samy nanao ny katesizy sy ny lamesa
izay tarihin’ny Eveka ny isaky ny toby
rehetra ary nofaranana tamin’ny sa-
hoby. Ny 07 Sept dia toy izay hatrany
saingy ny tolakandro dia nanao la-
lan’ny hazo fijaliana miaraka ny rehe-
tra teny amin’ny université. Toy izany
koa ny 08 Sept, fa ny nampiavaka io
andro io kosa dia ny nanaovana diabe
nankany Betahitry, ny fitsaohana ny
Sakramenta Masina, ny alim-bavaka
ary ny konfesy. Nofaranana ny alaha-
dy 09 Sept kosa ny JMJ Mada faha-7,
ka lamesa lehibe sy sahoby no nana-
marihana izany.
Saika atomotra avokoa vao na-
nao ny fitadiava-bola sy ny fiomana-
na amin’ny ankapobeany tamin’iny
dia iny ny rehetra, na dia nanana fo-
toana lava, telo taona be izao aza izy
ireo niomanana tamin’izany, noho ny
fahasahiranana isan-karazany. Samy
nahatsapa ihany koa noho izany fa sa-
rotra ny fitadiavana ny vola nentina sa-
tria dia lavitra dia lavitra tokoa no misy
an’i Diego. Tsy arakarak’izay anefa fa
tanora teo amin’ny 50000 teo ho eo no
tonga nanatrika iny Fihaonam-ben’ny
tanora Katolika andiany faha-7 iny.
Araka ny hevitr’ireo tanora dia
afa-po izy ireo tamin’iny dia iny. Teny
an-dalana dia efa naka ambiance ny
rehetra: nihira, nivavaka, nandihy, ni-
zara hafaliana ary na dia nisy aza ny
fahasimban’ny fiara teny an-dalana
dia nisy hatrany ny firaisan-kinan’ny
rehetra ary tsy nahakivy azy ireo
izany. nisy ihany anefa ny indroke-
lin’ny mpandrafitra, toy ny tsy fa-
hampian’ny trano fandraisana ka lasa
baranahany ny tanora sasany, ny tsy fa-
hatomombanan’ny karatry ny mpizai-
ka, ny hafanana, ny rivotra varatraza,
ny vovoka, ny tsy fahampian’ny rano
taorian’ny alim-bavaka teny Betahitry.
Koa manaitra ireo tomponandraikitra
mpikarakara mba hametra mialoha ny
isan’ny mpizaika mba hifanaraka tsara
ny fandraisana rehetra ka mba tsy hi-
veranan’ny tahaka ireny intsony.
Maro no nahazo fahasoavana
tamin’iny JMJ 2012 iny, koa dia
miomàna sahady àry isika amin’ny
JMJ 2015 any Fianarantsoa !!!!